Teny iditra hoza > ozana (oza)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Sasana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be washed, to be cleaned [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on lave [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ozana, ozako, ozanao, ozany, ozantsika, ozanay, ozanareo, ozan', ozan-, ozam-, oza-
Ny lasa : nozana, nozako, nozanao, nozany, nozantsika, nozanay, nozanareo, nozan', nozan-, nozam-, noza-
Ny hoavy : hozana, hozako, hozanao, hozany, hozantsika, hozanay, hozanareo, hozan', hozan-, hozam-, hoza-
Filaza mandidy : ozay, ozao

Teny iditra hoza > ozana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Mitovy amin' ny hozana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Comme hozana [1.3]

Teny iditra hoza > hozatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy (Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat; anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny fanakanbanan-teny. Ohatra: aretin-kozatra fa tsy aretin' ozatra, mitsangan-kozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets. Ary ny matoanteny hoe manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe manolatra ( holatra ) fa tsy mankolatra), manelatra ( helatra ) fa tsy mankelatra), ets. ... [1.10]
 Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby:
1) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela
2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho)
3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy.
4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Comme ozatra [1.3]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 
Ohabolana