Teny iditra ianareo
Sokajin-teny   mpisolo anarana [firaketana]
Famaritana malagasy   Enti-misolo ny anaran'izay itenenana raha maro izy ireo ka atao teny lazaina: ~ Miteniteny ianareo ka tsy henonareo ny teniko. [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   [ hianareo ] you, ye [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   [ hianareo ] vous. S'emploie au singulier et comme terme respectueux entre époux. (Le mari): Nahoana hianareo no tsy naka fanafody ho an'ny zaza? Pourquoi n'es-tu pas allée chercher un remède pour enfant? -- (La femme): Mbola niandry anareo aho ka. Mais, c'est que je t'ai attendu. [Abinal 1888]
   vous (pluriel); tu, toi [Rajaonarimanana 1995]
Dikanteny italianina   voi [Profita 1969]
Fifanahafana   anareo ~ -nareo, -areo

Nohavaozina tamin' ny 2015/09/19