Teny iditra indray mitoraka (iray, toraka)
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny malagasy indraika tsy misy fanampiny, ilazana fanaovan-javatra tokana tsy misy famerenana [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy once; lit. one throw. [Richardson 1885]
Ohatra 
1Tapa-kevitra ny hanakifika azy tokoa izy indray mitoraka ity ka tamin' io fara-teniny io no hanehoany izany.Nisalasala sy nangataka andro ihany izy hatramin' izay, tamin' ny fangataham-panambadiana nasehon-dRavokatra azy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 92]
2Indraindray izahay maharitra tapa-bolana ao Toamasina ihany, fa tamin' ity indray mitoraka ity, nisy entana maika tsy maintsy nantinay ho any Mananara [Andriamalala: Ranomasina, takila 50]

Teny iditra indray mitoraka (iray, toraka)
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny malagasy halaviran-tany mety ho tra-toraka (eo amin' ny dimampolo metatra eo) [Rajemisa 1985]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31