Teny iditra irahina (iraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Alefa hitondra iraka na hanao asa iray: Ikoto no nirahina ho any amin-dry dadatoa ~ Iza no nirahina haka Dokotera?
Tendrena, omena fahefana: Nirahin' ny fanjakana atỳ amintsika izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be sent as a messenger [1.2]
 To be sent [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on envoie [1.3, 1.8]
Ohatra 
1Tsy andriny ianao ka nirahiny aho [2.895]
2Ary ankehitriny handeha hirahiko ho any Ejipta hianao [2.996]
3Tamin' izay dia nirahin-dRamboasalama izy [2.508]
4Ary raha irahin' ny Manjaka dia mandeha ihany [2.366]
5Mpivarotra aloha no nirahina tamin' ny voalohany [2.366]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : irahina, irahiko, irahinao, irahiny, irahintsika, irahinay, irahinareo, irahin', irahin-, irahim-, irahi-
Ny lasa : nirahina, nirahiko, nirahinao, nirahiny, nirahintsika, nirahinay, nirahinareo, nirahin', nirahin-, nirahim-, nirahi-
Ny hoavy : hirahina, hirahiko, hirahinao, hirahiny, hirahintsika, hirahinay, hirahinareo, hirahin', hirahin-, hirahim-, hirahi-
Filaza mandidy : iraho
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20