Teny iditra Kabary nataon-dRabemila
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy na kabary)
Zana-dohateny Antananarivo, 6 Adalo 1832
Mpanoratra Cousins William Edward
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra Kabary nataon-dRabemila, 1OVtra., raha nandeha honina any Mojanga izy, ka nanatrika an-dRanavalo-manjaka tao anati-rova avaratra. Hoy ny fikabariny :

2. Trarantitra, aza marofy hianao Ranavalo-manjaka, mifanantera amy ny ambanilanitra, fa miteny eto anatrehanao masoandro amam-bolana, ka tahaky ny mitafy lamba imason-tompony, ka dia aza tsiniko izaho mpanompo ; fa raha afaka izay tsiny amam-pondro, ny arahaba amin' izay hasina hatao, Trarantitra, aza marofy hianao, mifanantera amy ny ambanilanitra, fa raha omby aminao ny arahaba sy ny hasina, hianao no vatany iraiketany ny raviny, ka dia mahenina azy mirahalahy mianadahy avy, izay loloha navelan'Andrianampoinimerina sy Radama. Veloma saotra amam-bavaka, mahità izay hahara asina anao hananana ny erany ny kibo. Ny terak' Andriamasinavalona, ny navelan-dRalambo amin' Andrianjaka, veloma saotra amam-bavaka izany, mahità izay haha-masina anao, hiadanan' Imerina ambaniandro, na ny fotsy, na ny mainty ; veloma, mahità izay hahamasina anao hiadanana amy ny tany.

3. Ary raha vita izany, dia natolony aloha ny hasina, dia hoy izy, Fankasitrahana no ataonay, Rabo-donandrianampoinimerina, sy fankatelemana, rahamba mpanomponao mahatoky anao izahay, ka hataonao maso-voho hitandrina ny fanjakana, hitana ny tani-nao ; sitrakay, telinay, fa dia trarantitra, aza marofy hianao tompokovavy, mifanantera amy ny ambanilanitra.

4. Ary rahavitany fankasitrahana, dia hanao toky izahay, fa tsy olon-kandalo, fa honina ; fa hiala eto anatrehanao hitandrina ny fanjakanao ho maso-vohonao. Koatoky noomenay anao, Rabodonandrianam-poinimerina, fandrao ataonao hoe, Ankizy ireo, ary zaza maitso-volo, ka tsy mahalala toe-panjakana, fe toy ny ohabolany ny Betsileo manao hoe, "Na kely nanam-bady aza izahay, nahita any Ikaky nanam-bady any Ineny, koafantatray ny nitondrany. '' Falehilahy anie izany hodiasana izany ; fa tao anie Ramanetaka no nonina ; tao anie Rafaralahiandriantiana no nonina tao Mahavelona ; tao anie Ratefy no nonina tao Toa-masina ; tany anie Ramananolona no nonina tany Faradofay ; tao anie Raibenijijy nandimby an-dRafa-ralahy : lehilahy anie izany. Ka raha inty omby aminay, ka irahinao handimby izany, hitandrina ny fanjakanao, hitana ny teninao, toky no omenay anao Rabodonandrianampomimerina. Raha ity nofinari-bavan' Andrianampoinimerina ity, ka novorin' Ilahi-dama, koa napetrany aminao Ranavalo-manjaka, koa raha Andrianampoinimerina namari-bava no hihambo manana, ka Ilahidama nanao salaka fohy narnory ity tany ity, no hanan-tondro-maso, ka hianao namelany no ho latsa-bato an-tánana, dia manda izahay, Tompo kovavy. Indrindrakaity tany navelan'izy roalahy ity no hilan'olom-boan-tondro, lavinay izany, Ranavalo-manjaka, fa ataonay tsy roa tompo ity tany ity, fa anao irery hiany.

5. Fa Andrianampoinimerina anietsy nihary vola, ary Ilahidamatsy namory fananana; farahanihary vola Andrianampoinimerina, feno Andohalo; raha namory fanananaIlahidama, fenoAntsahatsiroa; fatsy izany no nohariny, fa vahoaka no navelan' Andrianampoini merina, ary olona no napetrak' Ilahidama hitana ity tany ity, ka tsy firy no namelany afa-tsy hianao Rana-valo-manjaka; katoky noomenay ; rahaity tany ity no mba hilàn'olon'tsivalan-dia, kahilan'olon-kisina, sangy mahita ny hataviny sy ny hatsarany, manda izahay, fe ataonay tsy roa tompo ity tany ity, dia matokia mari-marina hianao Rabodonandrianampoinimerina.

6. Ary rehefavitany kabary sy ny toky nomeny, dia niteny kely indray Rabemila nanao hoe, Tsy toa matezamiteny, Tompokovovy, fahialaeto anatrehanao, katsy olon-kandalo, fahonina, fahitanany teninaoho maso-vohonao : koa raha ny adala no diso, hoy ny olona hoe, Ny azy fanaony ; ary raha ny hendry no diso, hoy ny olonahoe, Fanahy iniany ; koaraha avy izay teny ratsy atombok' olona, alaovy hanatrika anao tompony hizananao ny hadalana sy ny hahendrena, ka raha matiny ny hadalana, ka omby etoanatrehanao tompony, tsy mba misy alahelo izany, satria efa adala. Fa diatrarantitra, azamarofy hianao, mifanantera amy ny ambanilanitra.


2019/08/17