Teny iditra kalaza
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Antsy lehibe, karazana famaky, izay entin' ny olona amin' ny ady [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   an axe, a native billhook [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   espèce de hache dont on se sert dans les batailles [Abinal 1888]
Ohatra   Fibarana dia karazan' antsy lava taho sahala amin' ny kalaza, saingy ety sy lavalava kokoa ary mifaingo-doha ny lelany [Andraina: Mitaraina, takila 180]
Voambolana  

Teny iditra kalaza (laza)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Teny entina hilazana olona mahery miady hevitra na olona mafy hatoka
¶ Entina hilazana mpiady malaza noho ny herimpony na ny fahaizany amam-pahakingany: Kalazalahy [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   a champion, a conqueror. It is frequently applied to fighting bulls, chameleons and crickets [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   renommé par ses disputes, par son entêtement, par ses discours; se dit aussi des guerriers distingués, des taureaux, des grillons et autres animaux habiles dans les batailles [Abinal 1888]
Fifanahafana   kalazalahy

Nohavaozina tamin' ny 2014/07/29