Teny iditra karatry > karatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Taratasy baoritra fahazoa-miditra amin' ny lanonana na fiara andoavam-bola, izay manamarina fa efa nahaloa vola ny tena: Efapola ariary ny karatra fidirana amin' ity rindran-kira ~ Roanjato ariary ny kara-tsaran-dalana mankany Toamasina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A card, a ticket [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Carte d'entrée, billet [1.8]
Tovy hevitra bie
Kamban-teny 

Teny iditra karatry > karatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Taratasy fanoratana ny karazan-ketra rehetra aloa amin' ny fanjakana
Mitovy hevitra: hajia ~ hetra ~ isam-pangady ~ tongoamihonkona ~ vodihena [1.1]
Kamban-teny 
Ny fihaviany Frantsay: carte.
Mpanahaka  karamanga

Teny iditra karatry > karatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Baoritra filalaovana misy marika sy sary, ary mitovy soratra ny vohony [1.1]
Voambolana 
Tovy hevitra karatra filalaovana
Kamban-teny 
Mpanahaka  joro ~ lalitra ~ tangontsotrobe ~ samamena
Sary 

Teny iditra karatry > haratry
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Fanalana volombava [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  [Taisaka] [1.82]
Sampanteny 

Fivaditsoratra 

Teny iditra karatry > haratra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanakakasana ny volo amin' ny hareza na amin' ny lelan' antsy maranitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The act of shaving [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Action de se raser [1.8]
Ohatra 
1Tandremo tsy haratra intsony ilay faritra. [2.424]
2Dia izahay telo mianaka lehilahy no nametraka sy namatotra ny haratra sy ny latsy. [2.472]
Sampanteny 
 
Anaran-toerana 

Teny iditra karatry > haratra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Hazo lava mampitohy ny tapenaka roa eo antenatenany ambony kely (haratra ambony) ary eo ambany (haratra ambany) andany roan' ny vovonana, ka ipetrahan' ny lohatrano [1.1]
  [Sihanaka] Hazo lolohavin'ny andriambo [1.78]
Fanazavàna teny anglisy The purlins in the roof of a house. [1.2]
 A purlin or lengthwise stringer under a roof [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Les pannes des toits [1.8]
Kamban-teny 
Mpanahaka  hara-boalavo ~ mitatao haratra ambany ~ mitatao haratra ambony

Teny iditra karatry > haratra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  aratra [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  aratra [1.8]

Fivaditsoratra