Teny iditra kely
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Tsy lehibe, madinika: Trano kely no ipetrahanay
¶ Tsy be, vitsy, tsy firy: Kely ny isan' ny mpianatra tonga
¶ Manify, mezaka: Kely ny vahan' io olona io
¶ Fohy zeny: Lazain' ny mpitantara fa olona kely, hono izany vazimba izany.
Mitovy hevitra: (olona) aketalahy ~ bija ~ bitika ~ boleta ~ botity ~ botry ~ bozeny ~ bozeta ~ hetry ~ kambitry ~ kambity ~ katita ~ kely endaka ~ kely ray ~ kely reny ~ madinika ~ mafy kely ~ majinika ~ nihinan-tain' orona ~ tapak' amponga ~ tsampirano ~ tsapitika ~ tsingentana ~ vatokely [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   little, small [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   petit, peu [Hallanger 1974]
Ohatra   Manampy anay amin’ ny varotra kelinay ao izy, rahefa nahavita izay mba vitany tamin’ ny fianarana. [Andraina: I Vola, takila 10]
Sampanteny  
Ny bikany  
kely
keliko
kelinao
keliny
kelintsika
kelinay
kelinareo
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny kely itý (21)
Ambalavaokely
Ambalavatokely
Ambararatakely
Ambatofotsikely
Ambatolampikely
  Ambinanikely
Amboahangikely
Amparafaravolakely
Analakely
Andranomavokely
  Androfiakely
Ankiliabokely
Ankilivalokely
Antalatakely
Madirokely
  Mahatsinjokely
Maroadabokely
Nosy Tanikely
Sabotsikely
Trafonombikely
  Tsaratananakely

Nohavaozina tamin' ny 2017/04/25