Teny iditra kepohina (kepoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tsakoina ka heno ny feo aterak' izany: Nokepohin' ilay alika ny taolana natsipy ho azy
Lanina, hanina: Nokepohiny herintaona monja ny fananam-be navelan-dray aman-dreniny ho azy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be crunched between the teeth; to be squandered [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on écrase sous la dent; qu'on gaspille [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : kepohina, kepohiko, kepohinao, kepohiny, kepohintsika, kepohinay, kepohinareo, kepohin', kepohin-, kepohim-, kepohi-
Ny lasa : nokepohina, nokepohiko, nokepohinao, nokepohiny, nokepohintsika, nokepohinay, nokepohinareo, nokepohin', nokepohin-, nokepohim-, nokepohi-
Ny hoavy : hokepohina, hokepohiko, hokepohinao, hokepohiny, hokepohintsika, hokepohinay, hokepohinareo, hokepohin', hokepohin-, hokepohim-, hokepohi-
Filaza mandidy : kepohy

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20