Teny iditra kijana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Toerana midadasika feno ahitra firaofan' ny omby any an' efitra: "Akanga saraky ny ala anie aho ka misento ny alan-tapia... Zanak' omby lavi-kijana, anaty toerana manavia.." (Fredy Rajaofera) [Rajemisa 1985]
 tanimbilona vita-nanahary [SLP 1986]
Famaritana frantsay  [Tankarana] parc à boeufs dans la plaine. [David 1952 (takila K)]
Famaritana frantsay pâturage naturel [SLP 1986]
Teny mitovy hevitra kija
Ohatra 
1Nitobahan-tsakafo, toa nilanona, / Ny omby nimà, manim-bala na kijana, / Nefa voatery hiasa tsy an-kijanona; [Andraina: Sahabe]
2Na ny be omby an-kijana na ny tokana am-pahitra nitondra fangirifiriana tamin'i Lekodia sy niantoka io taviny mivozihitra io. [Rapatsalahy: Kintana, takila 176]
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny kijana ity (8)
Ankijaniabo
Ankijanibe
  Ankijanifotaka
Ankijanilava
  Ankijanimanga
Ankijanimavo
  Ankijanimena
Ankijanomby
 

2017/07/18