Teny iditra kingakinga (kinga)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fatrapanao zavatra haingana sy tsara, haingam-panao zavatra, mailaka, mivikiviky: Kingakinga ery Ikoto rehefa miasa
¶ Mahay, havanambanana: Mpitendry zavamaneno kinga Rakoto.
¶ Mailaka, mailamailaka, lahilahy, matselaka, tselika, analo, malaky, malady, mavika, mavibika, mavitrika, mavitribitrika, mivikiviky, mariadriaka, marisika [Rajemisa 1985]
Sampanteny 
Teny mitovy hevitra kinga
Ohatra 
1Kingakinga ery ny Komandy, nody. [Rapatsalahy: Kintana, takila 31]
2Olona kingakinga sy lalin-tsaina sady mahay zavatra, hono, izy io. [FOFAFIPE: Haivola, takila 14]
3Ireo ankizy kingakinga fihetsika sy tsaratsara fitafy, hono, nanontanian' ilay mpanadina ela mihitsy. [Andraina: Mitaraina, takila 61]

2017/04/07