Teny iditra kitrotro
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Aretina mahazo ny ankizy latsaka ny folo taona, nefa ny olona izay tsy mbola vitany koa dia mety ho tratrany na firy taona izy na firy taona. (Aretina mamorifotra ny kitrotro, izany hoe mandrakotra bontsimbontsina kely ny tena, izay miseho eo amin' ny handrina sy ny vozona, dia ny tratra sy ny lamosina ary miely eran' ny tena manontolo. Mandeha ranomaso lava, menamena maso, misondrotra hafanana: izany no fiandohan' ny kitrotro) [Rajemisa 1985]
 karazana fiforonam-poitra antsoina koa hoe kisoso, komongo [SLP 1986]
Fanazavàna teny anglisy the measles [Richardson 1885 takila 345]
Fanazavàna teny frantsay rougeole [Rajemisa: Vakoka, SLP 1986]
Voambolana 
Ohatra Fa ny kitrotro, sy ny kohaka lavareny namely ny ankizy madinika, no loza loatra [Cohen-Bessy: Rakotovao]

Teny iditra kitrotro
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy the name of a species of lemur [Richardson 1885 takila 345]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2021/08/03