Teny iditra kobaka am-bava, volana hatenda (kobaka, vava, volana, tenda)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy teny foana lazain' ny vava ary fampanantenana hatreo an-tenda ka tsy misy tanteraka; teny be fampanantenana eo am-bava fotsiny fa tsy arahim-panatanterahana [Rajemisa 1985]
Ohatra 
1Ka aoka izay, Andriamatoa, hianao mpanao volana an-tenda sy kobaka am-bava, ka hatretsy no ho miakatra ihany. [Dahle: Angano, takila 216]
2maty aho ray vahoaka
fa nilazan'olona ny kobaka am-bava
ny volana an-tenda
ka ny vavany nalefaka androtr'izay
no namoizako ny ahy tsy foiko
[Fox: Hainteny, laharana 206]
3ka aoka izay Andriamatoa
hianao mpanao volana an-tenda
sy kobaka am-bava
[Fox: Hainteny, laharana 449]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31