Teny iditra la
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   fototeny milaza tsi-fanekena, fanoherana, fikirizana, tsy hanaiky, tsy hanao. (Rahefa asiana tovona hakambana aminy izy dia miova ho D ny L voalohany, araka ny efa voazava etsy ambony amin'ny hoe L = D). -- Indreto ny teny niaviany: Soehily la (tsy, tsia); Mag. enda (tsia), menda (mandà); Tir. enda (tsia); Maley enggan (mandà).
¶ Ny tovona voa sy tafa dia tsy mety aminy; tsy fanao ny hoe voalà sy tafalà na dia hita ao amin'ny diksionera sasany aza izany. Tovona: man, maha, mampan, mifan, mampifan, fan, mpan. [Ravelojaona: Firaketana]
   [Taisaka] fandavana [Rakotosaona 1972]
   [Bara] mandà, miodina [Rakotosaona 1972]
   tsy fetezana hanao, tohitra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   root of the following [compare to Swahili la, meaning no]: voala, lavina, mandà, mandandà, mafy la [Richardson 1885]
Famaritana frantsay   refus, reniement, renoncement, rejet, négation [Abinal 1888]
   refus [Rajaonarimanana 1995]
   qu'on refuse, qu'on nie, qu'on rejette [Hallanger 1974]
   action de nier, de refuser [Rajaonarimanana 1996]
Famaritana italianina   rigettare. Nandà ny zanany maditra ny ray aman-dreny: i genitori, hanno rigettato il figlio ostinato
¶ rifiutare. Nanda ny fanomezana ny olona: la persona ha rifiutato il dono
¶ negare. Manda ny marina ianao: tu neghi la verita [Profita 1969]
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra la
Sokajin-teny   mpampitohy [firaketana]
Famaritana frantsay   [Tanala] si [Beaujard 1998]

Teny iditra la
Sokajin-teny   mpanoritra [firaketana]
Famaritana malagasy   teny tanindrana mitovy amin'ny merina hoe DA na DIA. Ohatra: la tsara! : tsara! da tsara! : tsara dia tsara! la maro eke! : dia marobe re izy izany! [Ravelojaona: Firaketana]
   teny tanindrana mitovy amin'ny merina hoe EFA. Ohatra: La maty va? : efa maty va? La tonga omale ia : efa tonga omaly izy. [Ravelojaona: Firaketana]

Teny iditra la
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   [Taisaka] tonta (fiasana), mihintsana (volo) [Rakotosaona 1972]

Teny iditra
Sokajin-teny   tambinteny [firaketana]
Famaritana frantsay   ao, etsy, eroa erỳ, izany, izay. Mettez là ce livre: apetraho ao (etsy, eroa) ity boky ity. Il était là tout à l'heure: vao haingana izy no tao. De là au village il y a deux cents pas: hatrao ka hatramy ny tanàna dia misy roan-jato mandingina. [Malzac 1893]
   any, tany, ho any: là, à une certaine distance, pas visible
¶ àny ho àny: quelque part là-bas; bientôt. [Hallanger 1974]
   ao, tao, ho ao: là (pas visible) [Hallanger 1974]
   eroa, teroa, ho eroa: là bien loin, visible [Hallanger 1974]
   indry: voilà! là! [Hallanger 1974]
   injao: là! (tout près) [Hallanger 1974]

Teny iditra la-
Sokajin-teny   kianteny [firaketana]
Famaritana malagasy   ny mpanondro anaram-bavy tokana amin'ny teny frantsay hoe LA no nakambany Malagasy amin'ny anarana tondroiny nony nogasiny ilay teny frantsay, toy ny hoe: latabatra (la table), lasoa (la soie), lasopy (la soupe), lapoely (la poêle), labiera (la bière), labozia (la bougie), ets. ets. [Ravelojaona: Firaketana]

Teny iditra la
Sokajin-teny   mpanoritra [firaketana]
Famaritana frantsay   ny: La lune (Ny volana) [Malzac 1893]
Fifanahafana   le ~ les

Teny iditra la
Sokajin-teny   mpisolo anarana [firaketana]
Famaritana frantsay   izy, azy: Je la vois (Hitako izy, mahita azy aho) [Malzac 1893]
Fifanahafana   le ~ les

Teny iditra
Sokajin-teny   tambinteny [firaketana]
   eo (a vista); ao (non a vista); ary (lontano) [Profita 1969]

Teny iditra la
Sokajin-teny   mpanoritra [firaketana]
   ny [Profita 1969]

Teny iditra la
Sokajin-teny   anarana (simboly)
Famaritana malagasy   Ny feo fahenina amin' ireo ambaratongam-peo fito amin' ny gama [Rajemisa 1985]
   laharana faha-6 avy ambany amin-ireo litera renisoratra valo natao solom-peo amin'ny solfa, dia ireto izany (atomboka avy ambany): DO, RE, MI, FA, SOL, LA, SI, DO. [Ravelojaona: Firaketana]
Voambolana  
Anarana siantifika   la
Sary  

Teny iditra La
Sokajin-teny   anarana (simboly)
Famaritana malagasy   Singa mivaingana, faha-57 amin'ny firaketan'i Mendeleiev. [3.1]
Famaritana anglisy   Lanthanum. [3.1]
Famaritana frantsay   Lanthane. [3.1]
Voambolana  
Anarana siantifika   la|La

Teny iditra LA
Sokajin-teny   anarana (simboly)
Famaritana malagasy   Fanafohezan-tenin' i Los Angeles (adika hoe ny anjely rehetra): tanàna lehibe ao amin'ny faritanin'i Etazonia. [3.1]
   Fanafohezan-tenin' i Louisiana: fanjakana amin'ny ireto fanjakana dimam-polo ireto ao amin'ny faritanin'i Etazonia. [3.1]
Voambolana  
Anarana siantifika   la|LA
Sary  

Nohavaozina tamin' ny 2017/07/03