Teny iditra lahasa (lahatra, asa)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   (lahatra sy asa) raharaha atao, indrindra ny ataon-tanana toy ny fambolena: Inina indray no lahasa any aminareo izao? Ny manetsa izao no tena lahasa. Ny fanaovan-trano koa izao no lahasa maharevo ny olona any [Ravelojaona: Firaketana]
   Asa, raharaha: Mizara lahasa amin' ny mpiasa
¶ Zavatra atao, taozavatra: Atombohy ny lahasanareo fa aza laozanareo miresaka eo
¶ Asam-pambolena: Ny vadi-bainga no anisan' ny lahasa mafy amin' ny fambolena [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   travail, occupation, ouvrage, se dit surtout du travail des champs [Abinal 1888]
Dikanteny anglisy   work, an occupation [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   travail, occupation [Hallanger 1974]
Sampanteny  
Teny nalaina  

Teny iditra lahasa
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   fandokoan-javatra toy ny kofehyna lamba [Ravelojaona: Firaketana]
   (teny tranainy) Loko manjamanja [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   teinture [Abinal 1888]
Sampanteny  

Nohavaozina tamin' ny 2013/01/14