Teny iditra lahatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitohitohizan-javatra na olona manaraka tsipika iray; fametrahan-javatra na olona mihitsy tomandavana: Tsara lahatra ny boky eto ambony latabatra izany
Lamina, fandaminan-javatra: Tsara lahatra ny kilalao tamin' ny lanonana 26 Jiona
Firindra, filazan-javatra milamina mifanaraka tsara: Tsy ilaina ny kabary tsara lahatra fa poaka aty
Fitondran' Andriamanitra na ny vintana mihatra amin' ny olombelona: Izao no lahatra ka atao ahoana? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Arrangement [1.3, 1.7]
 Order; ranks; fate [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Rang, ordre [1.3, 1.8]
 Alignement, organisation, arrangement, discours: Tsara lahatra ny boky (Les livres sont bien rangés) ~ Tsara lahatra ny mpianatra (Les élèves sont bien alignés) ~ Tsara lahatra ny nanaovany izany raharaha izany (Il a bien organisé ce travail) [1.3]
 Destin [1.8]
 Destinée [1.66]
Ohatra 
1Ramielovola Ramielovoahangy / ny nifiny dia vato lahatra / ny tanany dia vanim-bero / ataonao ho trandraka anaty voaroy ve aho Randriamatoa? [2.131]
2Ary na dia manaiky aza hianao, ka tsy lahatra, ho tanteraka aiza, ka afaka ny tsiny? [2.324]
Haiendriteny 
Tsotra : lahatra, lahatr', laha-
Tovonana : -dahatra, -dahatr', -daha-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/23