Teny iditra lakana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fitaovana hazo na vy entina mitety na mandeha ambony rano, mita rano; matetika ny lakana dia vita amin' ny vatan-kazo lehibebe noloahana izay manjary maivana ary mitsinkafona tsy milentika
¶ Lakan-drafitra very fivoy: enti-milaza olona tsy manana na inona na inona hianteherana intsony hamonjena tena [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a canoe. Laka is used in the provinces. [Poly. Waha, vaka, hak (?)] [Richardson 1885]
 a dugout canoe; any small boat [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay pirogue, petit bateau [Hallanger 1974]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Nanantena ny hoampitaina izy rehefa miverina, nefa tsy teo intsony koa ny lakana. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 176]
2miendaka tsikelikely ny rafitra tsirairay aminy, ary farany dia tsy hisy intsony fa lakana goavana bontolo no sisa tavela. [Andriamalala: Ranomasina, takila 16]
Teny nalaina 
Sary 

2013/09/23