Teny iditra lalaovina (lalao)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao kilalao, atositosika na dakana na atsipy mba hahafinaritra ny tena sady handaniana andro: Lalaovin' ny salsa ilay kiborin-taretra
Ihomehezana, hanihanina: Aza lalaovinareo ange, rankizy, io vehivavy adala io
Andaniana andro amin' ny fanaranam-batana: Holalaoviny fotsiny io vehivavy io fatsy halainy ho vady velively akory [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be played with [1.2]
 To be played with; to be mocked [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Avec quoi ou dont on joue [1.8]
Ohatra 
1Izany rehetra izany dia afaka lalaovina ao amin'ilay fianarana. [2.424]
2Efa rano rahateo moa no lalaovina, ka izay fanampiny kely etsy sy eroa, iny ve misy dikany! [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : lalaovina, lalaoviko, lalaovinao, lalaoviny, lalaovintsika, lalaovinay, lalaovinareo, lalaovin', lalaovin-, lalaovim-, lalaovi-
Ny lasa : nolalaovina, nolalaoviko, nolalaovinao, nolalaoviny, nolalaovintsika, nolalaovinay, nolalaovinareo, nolalaovin', nolalaovin-, nolalaovim-, nolalaovi-
Ny hoavy : holalaovina, holalaoviko, holalaovinao, holalaoviny, holalaovintsika, holalaovinay, holalaovinareo, holalaovin', holalaovin-, holalaovim-, holalaovi-
Filaza mandidy : lalaovy

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/09