Teny iditra laza
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fanambarana, fampisehoana ary fampielezana am-bava na an-taratasy
¶ Fahatantarana manehoeho ananan'ny olona momba ny tena: Nahabe laza azy ny fanaovany ny marina teo amin'ny fifidianana
¶ Fiheverana, na tsara na ratsy, ananan'ny olona momba ny tena na zavatra iray: Ratsy laza izy hatramin'ny hala-bato nampanaoviny ~ Tsara laza amin'ny tany ama-monina izy [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   a report [Hallanger 1973]
   fame, honour, glory [Richardson 1885, Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   action de dire [Abinal 1888, Rajaonarimanana 1995]
   action d'annoncer, de publier [Abinal 1888]
   un rapport [Hallanger 1974]
   renommée [Abinal 1888, Hallanger 1974, Beaujard 1998]
   réputation [Abinal 1888, SLP: Voambolana, Beaujard 1998]
   célébrité [SLP: Voambolana, Rajaonarimanana 1995, Beaujard 1998]
   glorification, louange [Abinal 1888]
   renom [SLP: Voambolana]
Dikanteny italianina   reputazione [Profita 1969]
Ohatra  
1Nitombo laza hafahafa izany I Feno tao an-tanàna [Andraina: Mitaraina]
2Tsara laza izy (Il a bonne réputation) [Abinal 1888]
3Nahabe laza azy ny nataony (Ce qu'il a fait lui a fait acquérir une grande renommée) [Abinal 1888]
4Hanimba ny lazany izany (Cela nuirait à sa réputation) [Malzac 1893]
5hampandroso mandrakariva ny voninahitrao aman-dazanao [Meller: Fivavahana]
Sampanteny  
Ny bikany  
laza
lazako
lazanao
lazany
lazantsika
lazanay
lazanareo
lazan'
lazan-
lazam-
-daza
-dazako
-dazanao
-dazany
-dazantsika
-dazanay
-dazanareo
-dazan'
-dazan-
-dazam-
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra laza
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   famaky kely fitondra mandeha [Sakalava] [Rajemisa 1985]
Voambolana  

Teny iditra laza
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   lanonambe makotrokotroka, manehoeho [Betsileo, Betsimisaraka] [Ravelojaona: Firaketana]
Dikanteny frantsay   fêtes à l'occasion de la circoncision [Tankarana] [David 1952 (takila L)]

Teny iditra laza
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   zavamaniry atao hoe fanto ny hodiny ary fanao lamba tahaka ny hafotra. Alaina ny hodiny dia kapohina tsara, asiana menaka hahamandomando azy, dia kapohina indray mandra-pahalemin' ny tsiratsirany, dia diovina; izay vao itohitohy ho azo tenomina; anaovana sikina sy salaka. Any amin' ny faritanin' Ikongo (Tanala atsimo) no be azy [Ravelojaona: Firaketana]
Dikanteny anglisy   a plant whose bark is used to make the lamba called fanto. The root supplies a medicine [Tanala] [Richardson 1885]
Voambolana  

Teny iditra laza
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   (Cissus laza) zavamaniry hita any amin' ny faritany atsimo (Toleara), indrindra fa any Androy. Mahatratra 4 metatra ny haavony. Hafahafa ny bikany: mivelatra be ny vatany eo am-potony manakaiky ny tany, mety mahatratra 2 metatra ny velarany, dia mihakely arakaraka ny isondrotany avo, dia mandeha amin' izay ny rantsany iray lehibe tohin' ny vatany ary dia mandady mihodidina amin' izay hazo hafa eo akaikiny toy ny fanaon'ny vahy io. Malemilemy ny atin' ny vatany; mitahiry rano be io -- rano nofohiny tao anatin' ny fahavaratra fohy; io no ivelomany mandritra ny volana maro main-tany kely orana. Eo amin' ny toerana maina, be akorovato no faniriany. Vakivaky ny hodiny sady malemy koa. Mandravina izy amin' ny fahavaratra ary vonivony ny fanjany. Misy voany lehibe maintimainty; tian' ny olona any tokoa izany na dia somary manaiki-dela sy lanilany aza. Tsy dia maro loatra izy fa mahalankalana ihany, eny anaty akorovato eny. Voaloboka-dia (vigne sauvage) no anarana ilazan'ny Vazaha azy. [Ravelojaona: Firaketana]
Dikanteny anglisy   A tree with edible fruit [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   arbre, Ficus reflexa Thumb. ssp. reflexa (ex F. pyrifolia Lamk. var. occidentalis), famille des Moracées. Souvent planté à l'est des "grandes maisons"; il assure la prospérité, la renommée du village. Remède contre la fatigue, et contre la toux. Plante du destin astrologique Adalo. Remède si on tombe malade sous le destin Alizady. Entre dans des charmes protégeant de la sorcellerie. Utilisé dans des charmes enterrés qui assurent la croissance du troupeau de zébus. [Mahafaly, Sakalava, Tanala] [Beaujard 1998]
Famaritana malagasy   ficus planté parfois à l'est du tranobe [Rajaobelina: Malgache]
Anarana siantifika   Ficus reflexa, Ficus pyrifolia, Cissus laza
Voambolana  

Teny iditra laza
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   (Ocotea) zavamaniry amin' ny antokon' ny laurinées; betsaka ao amin' ny faritany avaratra. Manitra kanelina ny hazony [Ravelojaona: Firaketana]
Anarana siantifika   Ocotea
Voambolana  

Teny iditra laza
Sokajin-teny   anarana
Dikanteny frantsay   Variété de liane (Vitacée, Cyphostemma laza Descoings) [Vezo] [Poirot & Santio: Vezo (takila L)]
Anarana siantifika   Cyphostemma laza
Voambolana  

Teny iditra Laza
Sokajin-teny   anaran-tsamirery (olona) [firaketana]
Famaritana malagasy   fanampin' anarana malagasy [3.1]
Ohatra  
1Voalohany, anisan'ireo nasaina mantsy i Laza Razanajatovo, mpanatontosa horonantsary ary fantatra amin'ny fikarakarana ny "Rencontres du Film Court" [ ]
2Ao amin’i Fermilab no anomanan’i Laza Rakondravohitra ny doctorat en physique mandritra ny telo taona hoavy [US Mission ]

Nohavaozina tamin' ny 2017/03/10