Teny iditra lazaina (laza)
Sokajin-teny   matoantenin'ny atao
Famaritana malagasy   ambara, aseho amin'ny teny: Izao no lazaiko aminareo [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   to be said [Richardson 1885, Hallanger 1973]
   to be told [Richardson 1885]
   to be reported [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   qu'on dit [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995, Beaujard 1998]
   qu'on publie [Abinal 1888]
   dont on rend compte [Hallanger 1974]
Ohatra  
1aza lazaina ho manina aho / fandrao ataony dia manadina [Fox: Hainteny, laharana 28]
2Izao no lazaiko aminareo (Voici ce que j' ai à vous dire) [Abinal 1888]
3Angaha misy izany valopolo lazainao izany akory ny vola mba natolony anay! [Andraina: Mitaraina, takila 100]
4Lazainay azy fa tandremanay tsara ny asanay (Nous lui disons que nous faisons bien attention à notre travail) [Rajaobelina: Malgache]
5Lazain' ny lovan-tsofina fa izay efa nigoka tamin' ny ranon' i Manangareza, hono, tsy maintsy miverimberina ao Toamasina foana, na aiza na aiza toerana onenany [Andriamalala: Ranomasina, takila 13]
6Nolazaiko azy fa nividy sambolay kelikely aho [Andriamalala: Ranomasina, takila 48]
7Tsy afaka niverin-kariva intsony Randrianaivo, fa reraka loatra, ka niandry izay zavatra holazain' Ilaimanga [Rajohanesa: Kintana]
8Aza fady, lazao kely azy fa te-hiresaka aminy aho (Dites-lui, s' il vous plaît, que je désire lui parler) [Rajaobelina: Malgache]
Endriteny  
lazaina
lazaiko
lazainao
lazainy
lazaintsika
lazainay
lazainareo
lazain'
nolazaina
nolazaiko
nolazainao
nolazainy
nolazaintsika
nolazainay
nolazainareo
nolazain'
holazaina
holazaiko
holazainao
holazainy
holazaintsika
holazainay
holazainareo
holazain'
lazao
Teny nalaina  
Haianarantany   Anaran-toerana misy ity teny lazaina ity (5)
Lazaina
  Mangalazaina
  Soalazaina
  Soalazainampangia
  Tsaralazaina
 

Teny iditra lazaina (laza)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana frantsay   sujet (grammaire) [Rajaonarimanana 1995]
Voambolana  

Teny iditra Lazaina
Sokajin-teny   anaran-tsamirery (haitany) [firaketana]
Famaritana malagasy   vohitra iray isan-ny lehibe amin-Avaradrano, miorina tsy lavitra an-Antananarivo. Raha avy ao an-drenivohitra no miala ka manaraka ny lalana mianavaratra mankany Ambohimanga, rahefa tonga amin-ny kilaometatra faha-14 dia misy sampanan-dalana mivily miankandrefana, ary 1 km avy eo i Lazaina. Tamboho avo, voarafitra mafy no mamefy ny tanàna, ary maro ny trano vaventy ao. Nanan-daza io tanàna io noho izy niaviana komandy maro tamin-ny tany malagasy.

Tany am-boalohany (1400?) dia ny vohitra nantsoina hoe Amboniloha no nonenan-ny raza-ny mponin' Ilazaina.

Taty aoriana ela, tamin-ny fotoana nanjakan' Andrianjaka (1610-1630) dia nifindra ho eo amin-ny toerana natao hoe Antanifisaka izy ireo ary dia io no novàna anarana hoe Lazaina... [Ravelojaona: Firaketana]

Voambolana  
Tsipelina hafa  
Haianarantany   lazaina
Sary  

2018/04/13