Teny iditra loha
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Faritra ambony indrindra amin' ny tenan' ny olombelona -- ary aloha indrindra kosa ho an' ny biby -- izay mizara roa: ny eo anoloana misy ny maso, orona, sofina, vava, ary ny ao an-damosina rakotry ny volo, fa ny ao anatiny kosa misy ny ati-doha fototry ny fihontsonana sy ny fisaintsainana ary ny finiavana: Nianjera izy ka vaky ny lohany (raha ny ao anatin' ny loha no lazaina, dia ny teny hoe andoha no ampiasaina: Marary ny andohako; jereo Andoha
¶ Saina: olona kely loha koa izay nametraka itỳ teto
¶ Lehibe mpitarika: Rainivoanjo no lohany tamin' io raharaha ratsy io
¶ Tendrony aloha amin' ny zavatra iray: Nifatratra tao anaty zozoro ny loha lakana
¶ Karazana: Maro loha ny sakafo narosony ho anay
Mitovy hevitra: andriamanjaka ~ andriana ~ ben' ny tany ~ filoha ~ lehibe ~ loholona ~ mpanapaka ~ mpandidy ~ mpanjaka ~ mpifehy ~ mpitarika ~ mpitondra ~ ray aman-dreny ~ tale ~ tompombodivona ~ tompomenakely ~ vovonana iadian' ny lohany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   the head; the front part [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   la tête; la partie avant [Hallanger 1974]
Voambolana  
Sampanteny  
Ny bikany  
loha
lohako
lohanao
lohany
lohantsika
lohanay
lohanareo
lohan'
lohan-
loham-
-doha
-dohako
-dohanao
-dohany
-dohantsika
-dohanay
-dohanareo
-dohan'
-dohan-
-doham-
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Lahatsoratra  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny loha itý (5)
Alatsinainy-Loharano
  Andoharano
  Loharano
  Lohasaha
  Lohavohitra
 

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/29