Teny iditra loto
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fako, fakofakon-trano, fikotra: Ario any ireo loto ireo fa mahabe lalitra
¶ Pentina, tasy: Rakotry ny loto itỳ lobakao
¶ Tsy fahadiovana, fisotisoty, fisotitika: Oadray ny loton' Ikoto! [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy dirt, filthiness [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay saleté, souillure [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Ohatra 
1madio tsisy loto, tsisy fangarony. [Rajemisa: Fiteny 4, takila 25]
2Mametraka loto eny an-tsisiny eny ny mpanary fako. [FOFAFIPE: Haivola, takila 117]
3Indro ilay Peratra Volamena vaovao efa misolotiky ny loto! [Ramangamalefaka: Manaiky]
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny loto ity (1): Mandoto

Teny iditra lôtô
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Karazan-kilalao an-tsapaka: izarana baoritra misy tarehimarika hatramin' ny 1 ka hatramin' ny 90 anaty efitrefitra ny mpilalao, ka izay mahafeno voalohany ny efitrefitra amin' ny baoritra eny an-tanany amin' ny vato misy tarehimarika hatramin' ny 90 koa izay sarihana an-tsapaka, no maharesy [Rajemisa 1985]
Ny fihaviany Frantsay: loto.

2017/04/03