Teny iditra mafy (hafy)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy malemy, tsy manana toetra mora vaky na mora potika: Mafy itỳ hazo itỳ
Tsy manana toetra malemilemy mahafinaritra ny tena: Mafy itỳ seza itỳ fa tsy misy ondana hipetrahana
Enti-milaza izay ilana hery na ezaka ara-batana na aratsaina: Mafy ny raharahan' ny mpihady arintany
Enti-milaza izay manery na mandidy izaitsizy: Mafy ny lalàna nefa tsy maintsy arahina
Matanjaka, manan-kerim-batana: Manatòna Rangahy raha mafy
Sarotra lefarina, manindrona, na henjana: Mafy izany teny izany
Sarotra zakaina, mangidy: Mafy ny fahoriana nentin' io iehilahy io
Tsy mihontsina, tsy mety ketraka: Mafy io vehivavy io
Mitovy hevitra: avy aina ~ be aina ~ fonetana ~ hozatina ~ komatry ~ maozatra ~ matanjaka ~ matomboka ~ tomady ~ vokenana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Hard, difficult, firm, strong. [1.2]
 Hard, firm; difficult [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Dur: Mafy ity tany ity (Cette terre est dure) ~ Mafy ity hazo ity (Ce bois est dur, solide) ~ Mafy ny teny nataony azy (Il lui a adressé des paroles fortes, dures) ~ Mafy ny nanjo azy (Il en a souffert de dures) ~ Mafy iny lehilahy iny (Cet homme est inébranlable [1.3, 1.8]
 Fort, ferme, solide, inébranlable
Qui ne démord pas, insupportable, intolérable, calamiteux [1.3]
 Solide, résistant; difficile [1.8]
Haiendriteny 
Tsotra : mafy
Filaza mandidy : mafia
Sampanteny 
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11