Teny iditra mahafaty (faty)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io
¶ Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty
¶ Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina
¶ Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho
¶ Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany
¶ Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to kill; to put out a lamp. [Richardson 1885]
 to kill [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay tuer [Hallanger 1974]
Endriteny 
mahafaty
nahafaty
hahafaty
mahafatesa
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

2013/03/07