Teny iditra mahaleo (leo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy manan-kery hahatohitra, afakahandresy: Tsy mahaleo azy aho ka hany heriko mangina
¶ mahavita, afaka hisahana, hikarakara: Mahaleo tsara ny fitondrana ny ankizy ilay mpampianatra vaovao
¶ mahatanty, mahazaka: Olona tsy mba mahaleo ny esoeso sy ny fanarabiana izy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to equal, to match, to parallel, to manage [Richardson 1885]
Famaritana frantsay avoir assez de force pour vaincre, pour résister, pour exécuter. Tsy mahaleo azy hianao (Vous ne sauriez l'emporter sur lui) ~ Mahaleo tsara ny fitondrana ireo ankizy kamboty ireo izy (Il est dévoué pour s'occuper de ces orphelins) ~ Mahaleo ny fahoriana izy (Il sait supporter le malheur) [Abinal 1888]
Famaritana anglisy to be able to support; to be able to overcome [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay être capable de vaincre; être capable de supporter [Hallanger 1974]
Ohatra 
1Ny voky tsy mahaleo ny tsaroana! [Rahajarizafy: Filozofia, takila 140]
2Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; [Baiboly: 23.18.38]
3Tsy zaza miankina fa lehilahy mahaleo-tena no tiany. [Rabemolaly: Fary, takila 165]
Endriteny 
mahaleo
nahaleo
hahaleo
mahaleova
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

Teny iditra Mahaleo (leo)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [firaketana]
Famaritana anglisy music band formed in 1972 by seven musicians: Dama, Dadah, Bekoto, Fafa, Nono, Charles, Raoul. [3.1]
Voambolana 
Asa navoany Mahaleo: Mihodinkodina
Habaka Mahaleo: un film de Paes et Rajaonarivelo (http://www.mahaleo.com/)
Sary 

2017/09/05