Teny iditra mahery (hery)
Sokajin-teny   matoanteny na mpamaritra
Famaritana malagasy   Matanjaka, manana herim-po: Mahery noho ianao izy ~ Mahereza, anaka
¶ Mazoto, manaobetsaka: Efa mahery mihinam-bary ity zaza ~ Mahery mianatra Ibalita
¶ Maharesy: Nahery ny miaramilantsika ka mifalia
¶ Mafy, mafimafy, henjankenjana: Mahery izany vary izany; asa na ratsy nahandro na efa toetrany mihitsy
¶ Mihoatra, manan-tombo: Mahery ariary fito ny vola nomenao ahy ~ Amin' ny roa ora mahery izao [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   strong [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   fort, puissant [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Mahery fofona sady matsatso! [Andriamalala: Ranomasina, takila 30]
2Tena mahery izy ity Rangahy! [Razafiarivony: Harivolana, takila 220]
3Dia ny voalavo izany no mahery! [Dahle: Angano, takila 159]
4Na zovy mahery, dia vaky barara; [Ratsimiseta: Nofiko]
Endriteny  
mahery
nahery
hahery
mahereza
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Teny iditra mahery (hery)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   [Taisaka] mamerina [Rakotosaona 1972]
Endriteny  
mahery
nahery
hahery
mahereza

2016/09/03