Teny iditra maika (aika)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Misy zavatra tsy maintsy halehahaingana: Maika aho
¶ Maimay hanao zavatra, dodona: Maika hiteny erỳ izy ~ Maika hamonjy masinina aho
¶ Enti-milaza zavatra tsy azo ampiandrasina ela, tsy maintsy hatao haingana: Raharaha maika [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy in a hurry [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay pressé [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Teny mitovy hevitra dodona ~ kododona ~ dodoka ~ dodotra ~ rototra ~ rodoka ~ somadodoka ~ somarodoka ~ somarototra ~ maimay ~ mitaitay ~ mirotoroto ~ mikorobobo ~ miheninkenina ~ mikoropaka ~ sevotsevoka ~ milomay ~ maintavo ~ forehitra ~ mivoa-jamala ~ misehotra ~ misalehotra ~ mikododoka ~ minitinitika ~ kongomaika ~ kongorevo ~ ankamehana ~ sondrodrahona ~ aniritra ~ tandrevaka ~ tandrametaka ~ peta-toko
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

2013/03/08