Teny iditra maizina (aizina (izina))
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Tsy mazava, manjombona: Maizina ny efitrano ka vohay ny varavarankely
¶ Tsy azo mazava, manjavozavo: Maizina ny lahateniny
¶ Fahoriana mangidy: Nitondra ny maizina izy tao amin-dry Ranona tao
¶ Ny Ratsy, ny fanahy ratsy: Zanaky ny maizina ireny matoa tsy sahy miseho masoandro. [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   dark, gloomy, dismal [Richardson 1885]
   dark, gloomy [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   obscur, ténébreux [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
Ohatra  
1maizina dia maizina ny alina, ary nitanila kely nankao anaty ala izy rehetra [Rajohanesa: Kintana]
2mangina sy maizina tsy toy ny tahaka ny isan'andro kosa ny tao an-trano [Rakotonandrasana: Tantsaha]
3amin'ny maraina vao maizina no fanomezan-tsakafo ny mpigadra [Andraina: Mitaraina]
4maizina ny efi-trano (la chambre est obscure) [Abinal 1888]
5maizina ny teniny (ses paroles sont obscures) [Abinal 1888]
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2015/06/02