Teny iditra mamaky (vaky)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Manapotika zavatra amin' ny fandonana azy amin-javatra hafa na amin' ny fanatontàna azy amin' ny tany: Iza ianareo no namaky ny siny?
¶ Mampitresaka, manasaka: Mamaky hazo fisaka ho roa ny mpandrafitra
¶ Manimba, mandrava, mandroba: Mamaky trano mihitsy ny jirika
¶ Mandalo eo afovoany manomboka amin' ny laniny iray ka hatramin' ny laniny iray hafa (matetika ny teny verindroa (Mamakivaky) no ampiasaina amin' itỳ hevitra itỳ): Menatra erỳ izy namaky na namakivaky ny vahoaka maro be
¶ Mampiseho ho fantatry ny be sy ny maro: Rakotono namaky lainga an-dRajaona [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to split; to break [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   fendre dans le sens de la longueur; casser [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   rompre
¶ traverser, aller, passer
¶ mettre en déroute [Abinal 1888]
Ohatra  
1Namaky ny any atsimo manontolo izahay (Nous avons traversé tout le sud) [Abinal 1888, takila 802]
2Izahay no namaky voalohany iny làlana iny (Nous avons été les premiers à passer par ce chemin) [Abinal 1888, takila 802]
3Namaky ny fefiloha ny rano (L’eau a rompu la digue) [Abinal 1888, takila 802]
Ny bikany  
mamaky
namaky
hamaky
mamakia
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra mamaky (vaky)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Manasaratsaraka ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra ao anatiny: Mbola tsy mahay mamaky teny ny zafikeliko fahenina [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to read [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   lire [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   publier [Abinal 1888]
Ny bikany  
mamaky
namaky
hamaky
mamakia

Teny iditra mamaky (vaky)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Dikanteny frantsay   accuser, dénoncer [Abinal 1888]
Ny bikany  
mamaky
namaky
hamaky
mamakia

Nohavaozina tamin' ny 2015/10/29