Teny iditra mambosy (ambosy)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   mankahery: Nanambosy tsara ny mpianatra izy talohan' ny fanadinana
¶ mamporisika, mitarika mitaona hanao: Nanambosy ny mpiasa hikomy mihitsy ranona ka notanan' ny fanjakana
Mitovy hevitra: manaboly ~ manabony ~ manangely ~ manangoly ~ manao fandria-malemy lafika ~ manao hatsohatso ~ manao kobaka am-bava ~ manao lango malefaka ~ manao lokanga hisatra ~ manao ronono antavy ~ manao safosiaka ~ manao teny malefaka ~ manao vola-mahadradraka ~ manao volana hatenda ~ mandango ~ mandangolango ~ mandoka ~ mandraviravy ~ mandrobo ~ mandroboka ~ mandrokiroky ~ manejokejo ~ manitikitika ~ manjono ~ manojikojy ~ manolikoly ~ midredro ~ mitomany ambony fe ~ mizara vava [Rajemisa 1985]
Ny bikany  
mambosy
nambosy
hambosy
mambosia
Fifanahafana   manabony ~ manabosy

Teny iditra mambosy
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   manao izay hanombohana na hanafainganana fiota ara-tsimia iray [SLP: Voambolana]
Dikanteny frantsay   catalyser [SLP: Voambolana]
Voambolana  
Ny bikany  
mambosy
nambosy
hambosy

Nohavaozina tamin' ny 2013/03/11