Teny iditra mameno (feno)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manenika, mahahenika: Mameno ny trano ny fofon' izany fanafody izany
Manototra: Mameno hafaliana anay ny fahitana anao ~ Hameno ny banga aminay ny fahatongavanareo roa lahy
Manatanteraka, mahatontosa: Nameno ny faniriako ny fahombiazan' ny zanako tamin' ny fanadinana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To fill [1.2, 1.7]
 To fill up. [1.2]
 To complete [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Remplir; compléter [1.8]
Ohatra 
1ny voliko mameno saha; [2.69]
2Maty antoka miara-mameno, fa volan' olona! [2.69]
3Tantely tapa-bata, ka ny fo no mameno azy. [2.296]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mameno
Ny lasa : nameno
Ny hoavy : hameno
Filaza mandidy : mamenoa
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20