Teny iditra mamerina (verina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Milaza indray: Mamerina ny teny lazaina ny ako
¶ Manao fanindroany: Tsy afaka tamin' ny fanadinana aho taona iny ka dia voatery namerina indray taona nanaraka
¶ Manatitra: Tsy namerina ny elo nindraminy izy
¶ Manonitra: Moa efa namerina ny vola nangalariny ve Rakoto [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay rendre, rapporter, redire, ramener [Abinal 1888]
Famaritana frantsay réviser, refaire [SLP 1986]
Endriteny 
mamerina
namerina
hamerina
mamerèna
Teny mitovy hevitra manindroa
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Fa raha mbola mamerina ise, dia voatery hisaraka isika. [Ravelomanana: Lalana, takila 174]
2Mamerina mandrakotra sy manambitamby azy Rasoa, olon-tiany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 56]
Teny nalaina 

2015/04/21