Teny iditra mamitaka (fitaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Manambaka: Aza mamitaka ny bado
¶ Manoloky, mametsy: Namitaka ny olona tao an-tanàna iny mpisoloky iny
¶ Mahadiso hevitra: Loza fa namitaka ahy ny masoko: ataoko itỳ vola ariary zato no nomeny ahy, hay roapolo
¶  mamangopangoka, mametsy, manangoly, manabony, mandroboka, mandrendrika, misaroro, misarory, mandroky, mandrokidroky, misodika, manao solia, manao sombia, manao sombe, manome vohony, manome vohon-dambo, manao antohimamba, mandainga, manao marina tsy to, manome fitaka, manome lainga, manambaka, mivarotra saka be loha, manolo-bato mafana, manao varo-draikiraiky, mamahan-dalitra, mamahandainga, manao hosoka, manao tsipandrifandry, mania dika, mifetsy, misoloky, misandoka, manandoka, mivarotra, mamandrika, manolikoly, manao ronono an-tavy, mampidi-bingo, mampidi-kizo, mampiditra amin' ny ety, mampiditra amin' ny maizina, manao longoa mitoto-bozaka, mahavoafitaka, manodoka [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to deceive, to cheat, to impose on. [Richardson 1885]
 to defraud, to beguile [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay tromper, frauder [Hallanger 1974]
Endriteny 
mamitaka
namitaka
hamitaka
mamitaha
Teny nalaina 

2011/09/15