Teny iditra mamoaka (voaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampiala ny trano: Mamoaka ny ankizy haka rivotra ny mpampianatra
Milaza am-pahibemaso: Efa namoaka didy mihitsy ny fanjakana momba izany
Mamosaka, mampiseho: Aoka ianao hamoaka mazava ny hevitrao eto anoloanay
Mampiseho voalohany ho hitan' ny olona: Vao namoaka gazety indray izao Randria
Manome: Mamoaka feo tsara sy mahafinaritra io orga vao novidinay io
Enti-milaza ny ray aman-dreny izay mandefa ny zanany hanambady, amin' ny fotoanan' ny fampakarana: Hamoaka zazavavy Rakoto mivady rahampitso Asabotsy [1.1]
 Manaparitaka, mizara, mampiely [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Diffuser [1.13]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamoaka
Ny lasa : namoaka
Ny hoavy : hamoaka
Filaza mandidy : mamoàha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/13