Teny iditra mamono (fono)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mandrakotra, manisy fonony: Aza asiana mikobana rehefa mamono boky
¶ Manafina: Mamono vola madinika an-joron-damba [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to cover, to wrap up, to swathe, to put the burial clothes on a corpse. [Richardson 1885]
 to wrap; to bind a book [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay envelopper, emballer; relier [Hallanger 1974]
Endriteny 
mamono
namono
hamono
mamonosa
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

Teny iditra mamono (vono)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mikapoka: Itỳ manko mamono anay ò, hoy Ibalita tamin-dreniny
¶ Manala aina, mahafaty: Mamono olona maro isan-taona ny toaka
¶ Mitsoka: Mamono jiro
¶ Manafoana: Mamono lalana
¶ Mikosoka: Mamono soratra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to kill; to beat; to erase writing [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay tuer, battre [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 éteindre, effacer, arrêter le cours de l'eau, obstruer un chemin [Abinal 1888]
 effacer une écriture [Hallanger 1974]
Endriteny 
mamono
namono
hamono
-kamono
mamonoa
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Mamono omby atao levenan' andriana. [Dahle: Angano]
2Filanjan-defona no ahy fa ny olon-kamono any ihany [Rinara 1974]

2019/08/17