Teny iditra man~
Sokajin-teny tovona [Teny amin' ny man~]
Famaritana malagasy Tovona fanaovana matoantenin' ny mpanao ka toy izao sy toy izao avy ny fiovan' ny fototeny mikambana aminy:
¶ a) fototeny manomboka amin' ny zanatsoratra sy ny renisoratra d, g, j: dia mikambana tsotra aminy ny man: man-ary, man-etry, man-iry, man-ova, man-dona, man-geja, man-jono;
¶ b) fototeny manomboka amin' ny h kosa: dia indraindray latsaka ny h: man-hety = manety, indraindray miova ho g: man-horona = mangorona;
¶ d) fototeny manomboka amin' ny l, r, z: dia miova araka ny hita amin' ny lalianpikambanan-teny ireo renisoratra ireo: man-lalo = mandalor,; man-roaka = mandroaka; man-zary = manjary
¶ e) fototeny manomboka amin' ny m sy n: tsy miova ireo fa ny tovona man no tonga ma: man-mindro = mamindro, man-nemina = manenina
¶ f) fototeny manomboka amin' ny k, s, t, ts: latsaka daholo ireo renitsoratra ireo: man-kaikitra = manaikitra, man-songona = manongona, man-tolotra = manolotra, man-tsongo = manongo
¶ g) fototeny manomboka amin' ny f, p, b, v: miova ho mam ny man
¶ h) raha mikambana amin' ny fototeny manomboka amin' ny f na p ny man, dia miova ho mamary latsaka ireo ranisoratra ireo: man-fikitra = mamikitra, man-potraka = mamotraka;
¶ i) raha mikambana amin' ny fototeny manomboka amin' ny b na v ny man, dia miova ho mam, ka ny b mijanona ho b ihany (man-beda = mambeda) na indraindray latsaka (man-babo = mamabo) ary ny v kosa lasa b (man-voly = mamboly) na latsaka (man-velona = mamelona) [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy prefix used to form verbs which are typically transitive, and adjectives [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay préfixe qui forme des verbes le plus souvent transitifs et des adjectifs [Hallanger 1974]
Endriteny 
man~
mam~
Mpanahaka  mam-
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny man~ ity (2): Mandoto, Mandrevo

Teny iditra man
Sokajin-teny anarana
Famaritana anglisy  lahy: a male, a man; a husband
¶  lehilahy: a man
¶  olombelona: a mortal man; mankind
¶  olona: a human being, man [Hallanger 1973]

2017/07/05