Teny iditra manadombo (dombo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahatonga hodombo, tsy maranitra: Ny vato no nanadombo ny antsy
Mahadonto: Ny hakamoana no nanadombo ny sainy
Mahatonga ho tsy tiam-bahoaka, mangidy hoditra: Ny fihinanam-bahoaka no nanadombo io mpitondra io [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manadombo
Ny lasa : nanadombo
Ny hoavy : hanadombo
Filaza mandidy : manadomboa

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05