Teny iditra manafina (afina)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mametraka zavatra amin' ny toerana tsy hahitana azy; manitrika: Manafina vola
¶ Mampiery: Miray tetika amin' ny olon-dratsy izay manafina azy
¶ Tsy mampiseho ety ivelany: Mahay manafina ny alahelony io vehivavy io
¶ Manarona, manakona: Tsy tsara ny manafina ny marina. / Nisy rahona nanafina ny volana indrindra tamin' izay
¶ Mandevina (mpanjaka): Tamin' ny alina no nanafenana ny masina. [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to hide anything, to conceal anything; to bury a deceased sovereign. [Richardson 1885]
   to conceal [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   cacher [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
   receler [Abinal 1888]
   garder le secret
¶ fig. ensevelir les souverains [tohiny Abinal 1888, Rajaonarimanana 1995]
Ohatra  
1Hianareo manafina amiko! [Rajohanesa: Kintana]
2Niondrika aho, nanafina ny ranomasoko. [Andraina: Mitaraina, takila 162]
3Ny manafina ny hareny ny maty momba, sy ny hareny ny maty mamosavy; [Callet: Tantara, takila 1139]
Ny bikany  
manafina
nanafina
hanafina
manafena
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2014/05/18