Teny iditra manaha (haha)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] Mamaha, manala fatotra, miempo [1.78]
 Mamaha: Vao tonga rainy dia nanaha ny entany ireo zanany
Manala amin' ny fatorana: Ise no hanaha ny ondry rahampitso maraina
Manasaratsaraka: Manaha kofehy
Manafaka, mamotsotra: Mbola tsy nanaha mpigadra ny Filohan' ny Nosy
Mandrava: Manaha famantaranandro [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To untie, to unloose. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Délier, dénouer, détacher, dévisser, démonter, mettre en liberté [1.3]
Ohatra koa izay mamoifo no manaha [2.857]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manaha
Ny lasa : nanaha
Ny hoavy : hanaha
Filaza mandidy : manahà

Teny iditra manaha (taha)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manome zavatra hatao taha na onitra [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manaha
Ny lasa : nanaha
Ny hoavy : hanaha
Filaza mandidy : manahà

Teny iditra manahà (haha)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manaha [fitanisana]

Teny iditra manahà (taha)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manaha [fitanisana]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/04