Teny iditra manainga (ainga)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manala ny zavatra amin' ny toerana ambany misy azy ka manondrotra azy, mibata: Tsy afaka manainga ny tongony akory io marary io ~ Afaka manainga ity vato ity ve ise?
Mamporisika, mitaona: Manainga ny vahoaka ny Filohan' ny Nosy mba hifankatia sy hiasa
Miala amin' ny toerana iray ka mandeha: Tsy afaka hanainga amin' ny efatra maraina isika fa mbola misy hamboarina ny fiarakodia [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To lift up, to elevate, to raise up; to send forward on a journey; to fetch to a feast or meeting; to ask a person to rise. [1.2]
Ohatra 
1Fa ny Fiangonana kosa, izy manainga anao hitory azy. [1.369]
2Ilaikely io hoy ny olona misy zavatra manainga azy mihitsy. [2.606]
3laraha-mahalala koa fa ny fony indrindra no manainga ny Malagasy. [2.298]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manainga
Ny lasa : nanainga
Ny hoavy : hanainga
Filaza mandidy : manaingà
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra manaingà (ainga)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manainga [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/17