Teny iditra manalava (lava)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manohy, manovona: Iza no nanalava itỳ tady itỳ?
Mahatonga hitaritarika, mampitarozaka: Manalava resaka koa Rangahy iny ka very foana teto ny andro
Manela: Manalava ny adin' ny olona io mpitsara io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To lengthen [1.2, 1.7]
 To prolong the time [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Allonger; prolonger, proroger [1.3, 1.8]
Ohatra 
1Manalava resaka izaitsizy izy (Il prolonge étonnamment la conversation) [1.3]
2Manalava ny adintsika io mpitsara io (Ce juge prolonge notre procès) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manalava
Ny lasa : nanalava
Ny hoavy : hanalava
Filaza mandidy : manalavà

Teny iditra manala (lava)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manalava [fitanisana]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20