Teny iditra manampatra (ampatra)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mampiasa tsy am-pisalasalana sady feno fanaranam-po: Nanampatra ny herin-tsandriny tamin' ilay zaza kely tsy ampy folo taona akory izy
¶ Manao araka izay tratra, araka izay tiana: Saingy mba efa navelan' ny dokotera hihinana ventin-kanina Rabe ka dia efa nanampatra erý
¶ Mampiseho am-pieboeboana, mirehareha: Nanampatra ny harenany marina izy tamin' ny fanambadian' ny zanany ~ Nanamparany ny fahaizany teo izahay nandritra ny adiny roa [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to stretch out the limbs. [Richardson 1885]
   to stretch out; to extend [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   étendre, allonger, déployer, montrer: Hanampatra ny hatezerany amin' ny mpanota Andriamanitra (Dieu déployra sa colère contre les pêcheurs) [Abinal 1888]
   étendre; allonger [Hallanger 1974]
Ny bikany  
manampatra
nanampatra
hanampatra
manampara
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2012/04/10