Teny iditra manampò (fo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mikasa: Nanampo ny hianatra aho ny maraina, kanjo nanavy tampoka ka namonjy fandriana
Mihevitra, manantena: Tsy nanampo anao ho afaka mihitsy aho
Mieritreritra, manao ho zavatra, miahy: Tsy manampo raharaha velively io Rangahy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To have in one's mind, to expect, to intend, to purpose. [1.2]
 To expect [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Prévoir, s'attendre à [1.8]
Ohatra 
1Koa samia manampo ady tsara, sao manan-kevitra hafa ka manantena hihodividivitra. [2.588]
2Tsy mba manampo ny hahazo sitraka na torolalana izy ireny fa dia mitozo befahatany. [2.895]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manampò
Ny lasa : nanampò
Ny hoavy : hanampò
Filaza mandidy : manampoiza
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20