Teny iditra manapoaka (poaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampirefotra: Manapoaka tafondro
Mampiseho ampahibemaso, mamaky: Manapoaka vaovao lehibe [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To set off an explosion; to fire a gun [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Faire exploser; décharger un fusil [1.8]
Ohatra 
1Tsy hainay akory ny manapoaka basy, Kapiteny. [2.643]
2Mirehaka izy, mamely tehamaina, manapoaka basy [2.472]
3Na manapoaka aza ireo, mitsefotra fotsiny ny basy ary tonga rano ny bala. [2.588]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manapoaka
Ny lasa : nanapoaka
Ny hoavy : hanapoaka
Filaza mandidy : manapoaha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20