Teny iditra manariva (hariva)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Miasa, mijanona hatramin' ny hariva: Hanariva aho androany satria tsy vita ny asa
¶ Miandry ny hahariva: Sarotra ny manariva ny andro raha tsy manan-katao
¶ Mahatonga ho tratra hariva, ho tratra aoriana: Tsy ta hanariva anao aho, fa' ndeha aloha mody [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to detain until evening, to work in the evening. [Richardson 1885]
 to work till evening; to put off till evening; to be near evening [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay travailler jusqu'au crépuscule; ajourner au soir; être près du crépuscule [Hallanger 1974]
Endriteny 
manariva
nanariva
hanariva
manarivà
Ohatra Any an-tsaha izahay efa-mianaka manariva andro ary isan' andro isan' andro. [Andraina: Mitaraina, takila 20]
Teny nalaina 

Teny iditra manarivà (ariva)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manariva [fitanisana]

2013/03/21