Teny iditra manasa (sasa)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   manala loto amin'ny rano: lasa nanasa lamba erỳ amorona i zoky.
Mitovy hevitra: mamotsy ~ manadio ~ manakobana ~ manala loto ~ manala pentina ~ manala tseroka ~ manontsana ~ manorana ~ manoza ~ mifantsana [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to wash [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   laver [Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
   faire le linge [Hallanger 1974]
Dikanteny italianina   lavare: Manasa lamba ny reniko (Mia madre lava la biancheria)
¶ affilare: Hanasa ny antsiko aho (Io affilero il mio coltello)
¶ sviluppare: Manasa sary ny mpakatsary (Il fotografo sviluppa le fotographie) [Profita 1969]
Ny bikany  
manasa
nanasa
hanasa
manasà
Teny nalaina  

Teny iditra manasà (sasa)
Sokajin-teny   filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manasa [firaketana]

Teny iditra manasa (asa)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mandranitra, mandrangitra, mampifilofilo: Ndeha manasa ity antsy ity ianao, ry Koto, fa dombo velona izy izany [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   aiguiser, affiler, râper [Abinal 1888]
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra manasà (asa)
Sokajin-teny   filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manasa [firaketana]

Teny iditra manasa (asa)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Miantso hanatrika lanonana na hisakafo, miangavy ho tonga maneho fihavanana na fifanajana: Nanasa antsika ry zareo ato avaratra amin' ny mariazin-janany [Rajemisa 1985]

Teny iditra mañasa
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   manohana; manafina [Tanosy] [Rakotosaona 1972]

Teny iditra mañasa
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   miantso [Antesaka] [Rakotosaona 1972]

Teny iditra manasa
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   mananasy [Antambahoaka, Antesaka, Bezanozano, Tanala, Tanosy] [Rakotosaona 1972]
   (mañasa) mananasy [Bara] [Rakotosaona 1972]
Voambolana  

Nohavaozina tamin' ny 2015/09/19