Teny iditra manasarotra (sarotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahatonga ho sarotra aleha: Ny lavadavaka ireny no manasarotra ny lalana mankaty aminareo
Mahatonga ho manahirana: Manasarotra ny fanaovan-trano ny ranonorana
Mahatonga ho lozabe, kitokitoina: Ny ditran' ny mpianatra no nanasarotra an-dRamose
Mahatonga ho lafo: Ny havandra no nanasarotra ny voaloboka tamin' ity taona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To make something difficult [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Rendre difficile [1.8]
Ohatra Tsia, tsy sarotra ny fiainana, fa ny olombelona no manasarotra azy. [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manasarotra
Ny lasa : nanasarotra
Ny hoavy : hanasarotra
Filaza mandidy : manasarota

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20