Teny iditra manavy (avy)
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Marary ka mafana ny tena (ny anton' ny fitomboan' ny hafanana dia ny fisian' ny zavatra na mikraoby na poizina ateraky ny zava-pihinana efa simba na fanafody sasany tafiditra any amin' ny tena, tonga any amin' ny ra ka manapoizina azy) [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   To be ill with fever. So called perhaps because of its intermittent character. [Richardson 1885]
   slightly ill [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   être un peu malade, qui a de la fièvre [Hallanger 1974]
Voambolana  

Teny iditra mañavy
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   tezitra [Sihanaka] [Rakotosaona 1972]
   tezitra, misafoaka, mihetsika: Mañavy koa ny ôlane (añavian'ny andro tsarane) [Tanala] [Rakotosaona 1972]
Voambolana  

Teny iditra manavy
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   anarana ilazana an-kapobeny ireo biby mampinono, lavalava vatana toy ny totozy, nefa mitarehim-borona manana elatra (iray tarika: manavibe, manavikely, fanihy ) [Rajemisa 1985]
   ramanavy [Antambahoaka] [Rakotosaona 1972]
Dikanteny anglisy   a small bat [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   chauve-souris [Rajemisa: Vakoka, Hallanger 1974]
Voambolana  
Fitovian-keviteny   ramanavy
Teny nalaina  
Lahatsoratra  
Fifanahafana   fanihy

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/29