Teny iditra mandainga (lainga)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Tsy milaza ny marina, milaza zavatra diso ho marina, mamitaka amin' ny tsy filazana ny marina; manao marina tsy to: Ny tahotra matetika no mahatonga ny ankizy handainga ~ Loza raha handainga io vehivavy io
Mitovy hevitra: manao marina tsy to>
¶ (mizana, famantaranandro) Tsy manondro ny marina fa mihoatra na latsaka no lazainy; diso: Mandainga ny famantaranandro izany; andro efa amin' ny 11 ka lazainy fa vao amin' ny 9 sy sasany ~ Ario any io mizana io fa mandainga
¶ Mahatonga ho diso, mamitaka, manodoka: Mandainga indraindray ny maso [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to lie, to tell a falsehood; to leave a promise unfulfilled [Richardson 1885]
 to lie, to be deceitful [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay mentir, être faux [Hallanger 1974]
Endriteny 
mandainga
nandainga
handainga
mandaingà
Ohatra tsy misy mahalala fahasitranana, fa mandainga ny mpisikidy manao hoe "mahay aho", kanjo izy hifetsy ny harian'olona - hoy ity Rangahy mpisikidy. [Callet: Tantara, takila 116]
Teny nalaina 

Teny iditra mandaingà (lainga)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandainga [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]

2014/09/25