Teny iditra mandalo
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Aretin-kibo tsy mivalana tonga tampoka, izay mampijaly fatratra fa mitangolika toy ny ho tapaka ny tsinay; (nisy mandalo roa fantatry ny Ntaolo: ny mandalo noana izay mpahazo raha mbola tsy nihinana na inona na inona, ary ny mandalo voky rehefa avy nihinana) [Rajemisa 1985]
Voambolana 

Teny iditra mandalo (lalo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mandeha haingana, miserana, mihelina: Mandalo ihany ny hatanorana
¶ Tonga kelikely dia lasa, tsy mitoetra ela: Nandalo tao antanàna izy tamin'ny herinandro lasa
¶ Mandeha eo akaiky nefa tsy miditra: Aza mandalo tanà-misy havana [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to pass by [Richardson 1885]
Endriteny 
mandalo
nandalo
handalo
mandalova
Teny mitovy hevitra mandika ~ mandingana ~ mihelina ~ mihoatra ~ misalovana ~ miserana
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

2011/10/23